Tsy vazivazy araka ny efa nitaterana azy an-gazety teto fa dia tonga tokoa ny “Tsunami” ho an’ireo mpampianatra ao Vakinankaratra amin’izao fotoana izao.
Manao tohivakana mantsy ny famindran-toerana ho an’ireo nisahana andraikitra teo aloha. Nisantatra izany ireo mpitarika ny SEMPAMA Antsirabe II, nanaraka koa ny tao amin’ny Cisco Antsirabe I. Amin’izao fotoana dia ny talen’ny foibem-paritry ny fanofanana mpampianatra (CRINFP) ao Vakinankaratra indray no tratry ny antsojay ka iharan’izany famindrana tampoka izany. Raha ny tatitry ny voakasika, Atoa Rasolofomparany Andriamanakidona izay talen’ny CRINFP dia nahagaga azy ny trangan-javatra.
Toy ny fanao mialoha ny fidiran’ny ireo mpiofana ho mpampianatra mantsy dia nisy ny fivoriana natrehan’izy ireo taty Antananarivo ny alarobia 06 oktobra lasa teo. Nialoha ny fivoriana dia fampahafantarana avy hatrany ilay ho solony no natao, ary efa miatrika ny fivoriana ihany koa io amin’izany. Nanaitra ireo talem-paritra hafa tokoa ilay fihetsika. Niezaka naka fanazavana tamin’ny talen’ny INFP ny tenany. Nilaza am-pahatsorana ity farany hoe : “na izaho aza gaga fa ny talata maraina nialoha ny fivoriantsika no napetraka teo amin’ny biraoko ny taratasy nosoniavin’ny minisitra Manoro Régis, manendry an’Atoa Ratrimohaja Derantsoa, izay avy any Moramanga hisolo anao”. Ny nahagaga, araka ny fanazavany dia « ny talen’ny INFP no tokony hanendry ny soloko raha nisy ny tsy nety na antony hanoloana ahy fa tsy ny minisitra», hoy ihany ity farany. Ny toe-javatra mahagaga amin’izao fotoana dia tsy mbola niditra birao tao Antsirabe akory ilay olom-boatendry vaovao dia efa miezaka mitety ny biraom-panjakana tao an-tanàna milaza ny fandraisany ny asany sahady.
Anisan’ny olana goavana amin’ity raharaha ity ny fidiran’ny mpiofana ho mpampianatra ny alatsinainy 15 oktobra ho avy izao izay ahiana hiteraka savorovoro sahady noho izay fifandimbiasan’asa tampoka izao. Raisin’izy ireo ho famotehana hatrany ny fampianarana ao Vakinankaratra moa izao tranga miseho izao satria misy indray ny fanilihina ireo zanaky ny Faritra mba mitana andraikitra ao amin’ny tanànany. Raha ny fanazavana azo tamin’ny Talem-paritry ny fampianarana Vakinankaratra dia niala bala izy ka nolazainy tsotra fa tsy avy aminy izao famindran-toerana izao. Ho an’ireo olona hafa anefa dia mihevitra fa tsy lavitra izany ny tenany.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.