Noho ny krizy izay mitarazoka efa ho herintaona sy tapany izao, dia mahatsapa ireo mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana, indrindra fa ny EPP fa mihena ny isan’ny mpianatra miditra an-tsekoly.
Hita sy tsapa izany amin’izao vanim-potoana fanaovana ny fisoratana anarana izao. Araka ny nambaran’ny mpampianatra eny amin’ny EPP iray, tafaresaka taminay dia noho ny tsy fananan’ny ray aman-dreny vola, na ny tsy fahampian’ny vola eo am-pelatanana no mahatonga azy ireo tsy handefa intsony ny zanany any an-tsekoly. Ny tena mampahonena, araka ny nambaran’ity mpampianatra ity, dia na ireo ankizy efa nianatra aza, tamin’ny herintaona, dia tsy nanavao ny fisoratany anarana intsony fa nijanona tanteraka. Ny any ambanivohitra matetika no tena ahitana ity tranga ity. Efa tena an-kavitsiana ny afaka miditra amin’ny sekoly tsy miankina izay misy saram-pianarana isam-bolana, kanefa dia manomboka mihena ihany koa ny miditra amin’ny sekolim-panjakana, satria tsy misy ny vola koa dia maro ireo ankizy no miasa manampy ny ray aman-dreniny.
Eo ihany koa ny fihenan’ny fizarana fitaovam-pianarana, izay nampazoto ny ray aman-dreny hampiditra ny zanany hianatra teo aloha. Misy ny fepetra tokony horaisin’ny fanjakana, araka ny fahitan’ireo mpanabe azy satria tsy afaka mampiditra ny zanany, sahiran-tsaina izy ireo satria lafo ny saram-pianarana any amin’ny sekoly tsy miankina, tsy ampy fitaovana koa anefa ny sekolim-panjakana no sady tsy ampy mpampianatra. Koa manainga mavesatra ny eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ireo mpampianatra mba hanohy hatrany ny fizarana fitaovam-pampianarana sy ny fanampiana ny mpianatra, tahaka ny fametrahana ny ‘cantine scolaire’ amin’ny faritra maro, ohatra. Tsy ny mpianatra ihany no tojo fahasahiranana, fa ny mpampianatra koa, noho ny karama kely raisin’izy ireo, ka mihafihafy amin’ny fiatrehana ny fiainana amin’izao fotoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.