Actualités

Tonia mpampanoa lalàna Odette Balisama “Tsy nandray kolikoly izany aho"


  • Zoma 19 Janoary 2018

Nanao fanambarana teny amin' ny lapan'ny fitsarana Anosy omaly ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Rtoa Razafimelisoa Odette Balisama.

 

Tsotra ny navaliny tamin’ilay ampamoaka nataon’ity teratany Frantsay Houcine Arfa, izay nilaza fa ankoatra ilay 70 000 Euros ho an’ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine, dia nandoa 30 000 Euros taminy ihany koa ity tompon’andraikitra ambony eo anivon’ity  fitsarana ity izy. “Tsy nandray kolikoly tamin'i Houcine Arfa aho", hoy izy. Nangataka ny famindrana azy teny Tsiafahy nankany Antanimora ny “Médecin chef”, saingy nanda hatrany izy, raha ny fanazavany. Nisy fikasana hamono tena (tsy nety nihinan-kanina), nataon'i Houcine Arfa teny Tsiafahy ka tsy maintsy nafindra teny Antanimora izy. Nambarany ihany koa fa nahatezitra azy ny resaka kolikoly, ary in-telo no niresahana ny momba izany  taminy, ary ny Kaomiseran’ny borigady misahana ny heloka bevava dia vavolombelona, izay niara-nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety, raha ny fanambarany. Naseho sy nosokafana mihitsy ny valizy miisa 2, saingy nilaza ny tsy afaka ny hanao izany ny tenany. Nilaza kosa izy fa afaka manao fangatahana any amin’ny minisitra satria izy no tompon’andraikitra voalohany. Tsy hay intsony, araka izany, izay marina sy diso amin’ity raharaha ity. Mahalasa ny sain’ny maro ihany koa hoe: nahoana no izao vao miteny izany ity tompon’andraikitra ambony ity kanefa efa tamin’ny 15 janoary no nahavaky io resaka io ho fanta-bahoaka ? Nahoana ny minisitry ny fitsarana no tsy miloa-bava ara-pomba ofisialy ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT