Ny taranja literatiora afrikanina ampianarin’ny ministry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Athanase Tongavelo no voalahatra hanadinana ny mpianatra tao amin’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra ary ny mahaolona ao amin’ny oniversiten’Antsiranana ny tolakandron’ny alatsinainy 25 oktobra lasa teo.
Araka ny fantatra mantsy dia manohy miasa ireo mpampianatra “vacataires” ao, mety entin’ny tahotra, raha mitokona kosa ny mpampianatra mpikaroka mivondrona eo anivon’ny SECES. Rehefa izay dia raikitra ny tsoka kiririoka. Vetivety dia vory ny mpianatra, avy amin’ny fakiolte hafa, ary nandrava ity fanadinana ity. Nisy ny peta-drindrina nataon’ireto mpianatra ireto taorian’ny fivoriana nataon’izy ireo ny alatsinainy, ary napetany isam-baravarana tamin’ireo departemanta ao Antsiranana, mitaky ny hampitoviana ny zon’izy ireo, fa tsy hisy hangala-dia hampianatra na hampanao fanadinana nefa ny sasany tsy afaka manao izany, noho ny Seces migrevy. Manohy ny fitokonana hatrany rahateo ireto farany, ary manery ny handoavan’ny fanjakana ny tetibola fampandehanan-draharahan’ny oniversite. Iangaviana ny mpampianatra mba tsy hampianatra, noho ny fanapahan-kevitry ny fivoriambe ny alatsinainy antoandro, hoy ny votoatin’ny taratasy. Midika io fa tsy mbola milamina ny raharaha ao amin’ny oniversiten’Antsiranana ao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.