Actualités

Tongavelo Athanase Miala bala


  • Talata 17 Aogositra 2010

Tsy ao anatin’ny 48 ora mihitsy no hahafahana mahita vahaolana amin’ny krizy niainan’ny oniversite tao anatin’ny 40 taona. Izay no fanambaran’ny ministry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Tongavelo Athanase ny faran’ny herinandro teo, raha niresaka momba ny fiatrehana ny fanadinana bakalôrea ny tenany.

Mila fomba fijery vaovao mihitsy isika, hoy izy fa tsy maimaika satria tena lalim-paka ny aretina mikiky ny tontolon’ny oniversite eto Madagasikara. Atao miandalana ary manaraka rafitra mazava ny famahana ny olana, hoy izy. Tsy maintsy misy anefa ny fanadihadiana lalina isaky ireo ambaratonga ahitana ny olana, araka ny filazany ihany, tahaka ny fomba fampianarana, ny mikasika ny mpampianatra mpikaroka, ny momba ireo mpandraharahan’ny oniversite, ny trano fonenan’ny mpianatra, ny vatsim-pianarana, ny fampitaovana… Ny zava-misy anefa, araka ny fanambarany dia maro no mbola zatra ny lalan-dririnina sy ny fomba fanao taloha, ela be eny amin’ny oniversite eny, ka tsy marisika firy amin’ny fanovana, na tena mandà an-kitsirano izany tsotra izao. Nataony ohatra tamin’izany moa ny fampiharana ny rafitra LMD. Misy, hoy izy ny mpampianatra tena tsy manaiky ny hanaovana izany eto amintsika mihitsy, kanefa tsy maintsy atao io raha tsy te ho tratra aoriana be isika, ary tena te hametraka ny lentan’ny fampianarana ambony Malagasy, mba hitovy tantana amin’ny any ivelany rehetra. Efa nivaha tamin’ny ampahany ny olana teny amin’ny oniversite satria efa nivoaka ny tetibola fampandehanan-draharaha avy amin’ny fanjakana, saingy tsy ho vita ao anatin’ny fotoana fohy avokoa ny famahana ny olana rehetra, araka ny nambaran’ny ministra Tongavelo Athanase ihany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT