Actualités

Tonelina Ambohidahy Mitombo isa ireo tonga matory ao


  • Sabotsy 23 Desambra 2017

Mitombo isa, lasa marobe ireo fianakaviana sahirana no tonga matory etsy ambany tonelina Ambohidahy ankehitriny.

Ny nahavitan’ny fihaonambe faha-16 ny Frankôfônia natao teto Madagasikara no ela, nanafenan’ny Fanjakana azy ireo, dia niverina tsikelikely eny ireo fianakaviana malagasy sahirana amin’ny fiainana ireo. Nambaran’ny raim-pianakaviana iray isan’ireo mpatory ao fa ny tsy fahafahany manefa ny hofantrano intsony no antony nahatonga azy ireo matory etsy ambany tonelina Ambohidahy. Ankoatra izay ny tsy fananan’asa. “Ny tsy fananana no mahatonga anaty ety. Mba nanao varobarotra ihany teo aloha nefa tsy tafavoaka. Ny asa anefa tsy misy, tsy hita izay hatao. Mitaditady hanina hohanina eny dia izay ny andavanandrom-piainanay, tsy misy andro fety izany”, hoy ilay raim-pianakaviana, tao anaty fitsikiana na mitambesatra aminy aza ny fahantrana. “Mangataka trano amin’ny fanjakana izahay, amin’izay mba tsy matory an-tsena”. Izay no mba fanirian’izy mivady amin’izao ankatoky ny Krismasy izao. Miisa eni-mianaka izy ireo amin’izao no matory eo ambany tonelina.

 

Jean D.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT