Manodidina ny efatra ireo rivodoza handalo eto amintsika mandritra ny fotoam-pahavaratra.
Ny roa amin’ireo no tena hahery vaika izay ahiana hisy fiantrakany ratsy eny anivon’ny fiarahamonina tokoa. Anisan’ireny ny tondra-drano tranga izay tena atahoran’ny maro, indrindra fa ho an’ny faritra iva. Mba hahafahana miatrika amim-pitoniana izany ary dia notanterahina nanomboka omaly tetsy amin’ny hotel Carlton Anosy ny fandrafetana ilay “plan de contingence national” iarahan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary raha efa nahavita ny azy avokoa ny isam-paritra. Anisan’ny hodinihin’ireo mpizaika ao ka hakambana amin’ireo drafitra voaangona isam-paritra ny hahafahana manadio ny lalan-drano mba tsy ho avy ora iray ny orana dia efa dibo-drano ny tanàna, ny fanomanana toerana hamindrana ireo traboina, faritra izay saika efa fantatra avokoa, raha araka ny fanazavan’Atoa Celestin Rasolomaholy, ny fijerena ny fiovan’ny lalana mety alehan’ireo renirano izay fantatra fa hampiasana drone sy olona maro mihitsy raha hampitomboina ihany koa ny vola hampiasaina. Haharitra telo andro ity atrikasa ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.