Actualités

Tombontsoa iombonana


  • Alatsinainy 16 Novambra 2015

Nisehoana asa fampihorohoroana goavana tao Paris ny faran’ny herinandro teo. An-jatony mahery no lasibatra vokatr’io dian-tanan’ny «Organisation des Etats Islamistes» io.


 Valin-kafatra avy amin’ireo fikambanana silamo tsy mankasitraka ny fampiasan-kery hataon-dry zareo Frantsay any amin’ireo firenena toa an’i Syria sy Iran izy io, araka ny fanazavana avy amin’ireo manampahaizana manokana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena. Samy nanameloka ny tranga nandratrana sy namoizana ain’olona marobe mahatsiravina ihany koa anefa ireo firenena manohitra ny asa fampihorohoroana. Lesona lehibe azo tsoahina na avy amin’ny an-daniny na avy amin’ny an-kilany kosa ny fiaraha-mientana tsy manam-paharoa ho fiarovana ny tombontsoa iombonana. Niray hina sy niombom-po amam-panahy tokoa ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka frantsay niatrika iny zava-manjo nampitomany ny fireneny iny. Fihetsika maha te-hidera izay takiana amin’ireo mitonona ho tia tanindrazana rehetra eto Madagasikara ihany koa amin’ny fitakiana ireo nosy Malagasy bodoin’ity firenena vao avy niharam-boina ity.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT