Tanteraka teo anoloan’ny biraon’ny Paositra Malagasy tao Mahajanga ny 23 novambra 2017, ny famoahana ofisialy ny tolotra vaovao fandefasana vola amin’ny fomba nomerika EMV na ny “E-mandat vaovao”.
Marihina fa ny taona 2014 ny Paositra Malagasy no efa nanao fandaharanasa ara-barotra amin’ny alalan’ny vokatra sy tolotra nomerika izay mitondra fampandrosoana ara-toekarena ho an’ny vahoaka. Sady tsotra no malaky ary azo antoka araka ny filamatra napetrany. Nampidirin’ny Paositra amin’ny fikirakirana ny taratasim-bola sy vola ihany koa, araka izany, ny haitao ara-kajy mirindra hanamorana sy hanafainganana ny serasera sady mampihena ny fampiasana ny taratasy. Afaka mifaninana amin’ny hafa mikasika ny fandefasana vola ny Paositra malagasy amin’izao fotoana noho ny fananana io EMV io, hoy ny Tale jeneralin’ny minisiteran’ny Paositra sy ny Fifandraisandavitra, Razafimanantsoa Stephanoël. Ny mpanjifan’ny faritanin’i Mahajanga no tena be mpampiasa ny EMV ary voalohany amin’izany ny distrikan’i Besalampy. Faharoa ny distrikan’Ampanihy any Toliara, hoy izy. Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana sy valisoa ho an’ireo mpanjifan’ny EMV avy ato anatin’ny faritra Boeny nandritra ny lanonana. Anisan’ny fampandrosoana entin’ny Paositra Mahajanga, hoy ihany ny tale jeneraly dia nomena tombontsoa manokana ny kaominin’i Mahajanga amin’ny fametrahana ny tambajotra nomerika hiasana ao anatin’ny Lapan’ny tanàna. Nananganana trano fivoriana ara-teknolojia hahafahan’ny fikambanana na olon-tsotra mivory amin’ny alalan’ny “Internet” ihany koa ao amin’ny Baobab City Tsaramandroso. Nambaran’ny Talen’ny Fampandrosoan’ny Faritra Boeny, Randriambololona Marcellin fa andraikitra napetraka amin’ny Faritra ny mandrindra ny fampandrosoana ny toekarena sy ny sosialy ka mifampiankina tanteraka ny filamatry ny Paositra sy ny Faritra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.