Actualités

Tolotanana voarara Hangata-panazavana amin’ny praiminisitra ny Vondrona Ambodivona


  • Alatsinainy 16 Martsa 2015

Hangataka fihaonana amin’ny praiminisitra ny mpikambana ao amin’ny vondrona Ambodivona. « Ny lehiben’ny governemanta no nanao antso avo amin’ny hanatontosana fifanampiana mba ho famonjena ny traboina eran’i Madagasikara ka aleo izy no

 

hanontanianay izay tokony hanaovanay ireto sakafo ho an’ny traboina voavory ireto rehefa tsy navela hamory vahoaka hizarana ireto izahay », hoy Atoa Jean Claude, mpandrindra ny antoko Maitso avy ao amin’ny faritanin’i Toliara. Ny antoko Maitso izay miaraka amin’ny vondrona Ambodivona miaraka amin’ny antoko Mapar, Hiaraka Isika, Vpm Malagasy Miara-Miasa ary  ny antoko Avana ARD. Sakafo voavinavina ho an’ny tokantrano tsy latsaky ny arivo no saika hozaraina nandritra ny tolotanana izay nokasaina  hatao tany Toliara ny sabotsy lasa teo saingy tsy tontosa noho ny fanakanana tamin’ny ora farany nataon’ny fanjakana foibe. Tsy ankasitrahan’ny vondrona Ambodivona ihany koa anefa ny hanaterana ireo entana voaangona eny amin’ny birao nasionaly mitantana ny  loza  voajanahary na Bngrc. « Taty Toliara dia tsy mahazo ireny fanampian’ny Bngrc ireny ny olona traboina raha tsy mampiseho karatra maha mpikambana Hvm. Tsy maintsy manao karatra haingana raha toa ka te hahazo izany fanampiana izany”, araka ny fanazavan’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Sakaraha Tinoka Roberto tamin’ny fampielezam-peo tsy miankina iray. Ny vahoakan’i Toliara moa manoloana ny tsy fanomezan-dalana ny vondrona Ambodivona hanao ilay tolotanana  dia tafintohina tanteraka ka naneho ny alahelony sy ny hatezerany amin’ny fanjakana foibe.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT