Actualités

Tolobaro-panjakana Tsy mazava sy tsy ara-dalŕna ny ankamaroany


  • Zoma 17 Septambra 2010

Tsy nanaraka ny lalŕna mifehy ny tolobaro-panjakana ny ankamaroan’ny fandaniam-bola teo anivon’ireo ministera 21 sy andrimpanjakana 3 izay mijoro amin’izao fotoana araka ny fanadihadiana notontosain’ny Commission Nationale des marchés na CNM nandritra ny efa-bolana voalohan’ity 2010 ity.

Ny 20-%n’ireo tolobarotra no nanaovany fitsirihana ary niainga tamin’ny valin’izany no nanomezany naoty ny ministera sy andrim-panjakana tsirairay avy araka ny fahadiovan’ny fanatanterahany ny tolobarony, ny fitovianjon’ny mpifaninana ary ny fahalalahan’ny fahazoana ny tolobarotra. Araka ny valin’ny fanadihadiana dia 8 monja ireo andrim-panjakana nahazo isa ambonin’ny 50/100 ka ny ministeran’ny fampianarana ambony no tsara naoty indrindra manana isa 75/100. Anisan’ny gisitra kosa, izany hoe ratsy naoty ny fiadidiana ny FAT, ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fifandraisana raha tsy voasokajy kosa ny ministeran’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina.

Raha ny fanazavan’Atoa Razaf Miarana, mpandrindra nasionalin’ny ARMP dia ny fiovaovan’ny tomponandraikitra misahana ny tolobaro-panjakana izay misolo isaky misy ministra vaovao no mahatonga io tsy fanarahan-dalàna io satria voatery mianatra asa hatrany izay tomponandraikitra eo. Ankoatra izay anefa dia namoaka ny tatitry ny zavatra hitany koa ny CNM ka notsikerainy ny tsy fisian’ny mangarahara momba ny fanomezana ny tolobidy sy ny tsy fahampian’ny vaovao momba ireo mpifaninana, ny havitsian’ireo mpifaninana ary ny fiverimberenan’ny anaran’ny mpifaninana efa mahazatra. Nomarihiny koa ny fividianana entana tsy misy “bon de commande” na koa fividianana entana tsy ialohavan’ny fampitahana ny vidiny. Andrasana amin’ny CNM amin’ny fanadihadiana tontosainy mandritra ny efa-bolana faharoan’ity taona ity ny marina momba ny fanamboarana ny kianjan’Antsonjombe sy ireo fotodrafitrasa hafa. Raha ny nambaran’ny filohan’ny FAT mantsy dia orinasa malagasy efatra no manatanteraka ny fanamboarana ny kianjan’Antsonjombe saingy tsy nahitana ny tolobidy momba izany tamin’ny gazety na koa teny amin’ny ministera isan-tsokajiny. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT