Vita soamantsara ny hetsika “Tolo-tanana ho an’i Mahefa Tarika Hasina” ny zoma alina tetsy amin’ny Telozoro Andrefanambohijanahary. Raha tsiahivina, fanombohan’ny fahatapahan’ny lalandra any amin’ny loha no nahazo ity mpitendry gitara sady mpihira ao amin’ny tarika ity.
2 na 3 taona eo no eo no faharetan’ny fitsaboana ary lafo dia lafo ny fanafody ka izay no anton’ny hetsika. Tsy tara ny fitsaboana ary azo sitranina tsara i Mahefa, hoy Rabeson José, mpamoron-kiran’ny tarika nanoloana ny vahoaka nameno ny efitrano saingy mila fotoana lava. Tetsy an-daniny, tonga maro ny mpanakanto naneho ny firaisankina sady nampahery ny tarika. Hita teny, ohatra, ry Tsiakoraka, Rebika, Do Rajohnson, Parson Jacques, Jeannot, Firmin.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.