Actualités

Tolo-dalŕn’ny depiote Jao Jean Niteraka adihevitra be fa lany ihany


  • Alarobia 20 Mey 2015

Anisan’ny lahadinika nodinihana tao anatin’ny fivoriana nitambarambe azon’ny besinimaro natrehana omaly, teny amin’ny Antenimieram-pirenena, ny tolo-dalŕna avy amin’ny solombavambahoaka Rémi dit Jao Jean filoha lefitry ny Antenimiera

 

 Faritany Mahajanga mikasika ny tokony hamerenana amin’ny fanjakana ireo tany mipetra-potsiny fa tsy nampiasain’ny tompony an-taonany maro. Nitarika adihevitra be nandritra ny adim-pamantaranandro maro ny fandinihana niaraka ity tolo-dalàna ity ka nolanian’ireo solombavambahoaka nanodidina ny 50 tonga nivory teny Tsimbazaza na dia nasiam-panovana sy fanitsiana aza ny andininy maromaro tao aminy. Na dia lany aza iny tolo-dalàna iny, hoy ny depiote Ravahimanana Guillame avy any     dia hita fa mila fandrindrana matotra avy amin’ny solombavambahoaka sy ny tompon’andraiki-panjakana avy ao amin’ny fanajariana ny tany satria efa nanana “cadre” novolavolainy hanatsarana ny resaka fananan-tany ry zareo. Mpanao lalàna mitondra ny hetahetam-bahoaka ny depiote, hoy ny solombavambahoaka Naivo Raholdina avy ao amin’ny boriborintany faha-5 ka tokony ny fandrindrana izany ihany no andraikitry ny mpahay lalàna toy ny Hcc ao anatin’izany. Marina fa namolavola paikady hanatsarana ny resaka fananan-tany ny governemanta saingy taraiky loatra izany fa hafa ny hetahetam-bahoaka satria efa nijaly loatra amin’ity resaka fananan-tany ity izy.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT