Malagasy iray 23 taona no maty voatifitra tany Toliara ny alatsinainy lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora alina. Bala iray teo amin’ny masony sy ny tendany no nahafaty azy.
Fantatra fa lehilahy metisy Karana izay niray fiara tamin’ity tovovavy ity ihany no nitifitra azy. Raha ny fitantaran’ny polisim-pirenena nanao ny fanadihadiana tany Toliara dia mpisipa roa nahitana teratany Karana iray sy ity tovovavy voatifitra sy Metisy Karana iray narahana tovovavy iray no avy namonjy lanonana ka niaraka fiara. Naterina teo amina hotely lehibe iray ireo mpisipa roa voalohany. Nivoaka ny fiara ary niditra avy hatrany tao amin’ilay hotely ilay vehivavy iray. Tampoka teo anefa dia nirefotra ny basy. Notifirin’ilay mpamily izay teratany Karana ilay vehivavy Malagasy tao anaty fiara sy ilay Karana iray.Voa teo amin’ny takolany saingy mbola afaka nitsoaka ihany ity farany, maty tsy tra-drano kosa ilay vehivavy. Navoaka ny fiara ny vata mangatsiakan’ilay vehivavy avy eo ary niantso ilay vehivavy niaraka taminy tao amin’ny hotely ilay metisy Karana ka niaraka nandeha tamin’ilay fiara izy roa. Tonga teny an-toerana ny polisim-pirenena nanao ny fanadihadiana. Fantatra ny momba ireo olona nitsoaka. Omaly talata moa dia fantatra fa nitolo-batana tany amin’ny mpitandro ny filaminana ilay metisy Karana nahavanon-doza ary notanana avy hatrany ary hatolotra ny fitsarana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.