Vehivavy iray 24 taona izay bevohoka 4-bolana ary tsy manambady no naolana lehilahy anankiroa mpifoka rongony, tany Toliara ny alin’ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny sivy ora latsaka kely tany.
Niala ny posy avy niasa ity vehivavy ity ka tsy maintsy nandalo toera-mangina mihazo ny tranony io voaolana io. Tsy afaka niantso vonjy ny tenany fa voatampin’ireo olon-dratsy ny vavany. Tsy nanao takon-kenatra intsony ny zanako niditra ny trano, hoy ny reniny nitomany nitantara ny zava-nanjo ny zanany.
Eric/Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.