Ritra tanteraka ny tahirin-tsoliky ny Jirama. Adiny telo sy sasany isan’andro ary isan-kalina vao mandeha ny jiro ao Toliara
. Manomboka 7 ora hariva ka tapaka amin’ny 10ora 30mn alina. «Gazoala 20 000 litatra fotsiny no eto am-pelatanana ka tsy maintsy notsinjarainay mandritra ny roa andro izany (sabotsy sy alahady) », hoy ny tale iraisam-paritry ny Jirama Toliara, Razafindrahibe Paul, ny sabotsy maraina teo. Raha tsy misy famatsian-tsolika anio alatsinainy dia hiaina ao anaty haizin-kitroka tanteraka ny tanànan’i Toliara. Nomarihan’ity tompon’andraikitra ity, fa gazoaly 25 500 L isan’andro no filana ahazoana angovo 6,6 mégaWatts filan’i Toliara isan’andro. Amin’izao ankatoky ny fetin’ny paska izao vokatry ny delestazy dia marisarisa ny lafiny tsy fandriampahalemana.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.