Actualités

Toliara Mivangongo ny fako, maimbo ny tanŕna !


  • Talata 13 Jolay 2010

Taorian’Antananarivo, Mahajanga, Antsirabe, Toamasina dia ny mponin’i Toliara indray izao no velon-taraina amin’ny fivangongoan’ny fako ao an-tanŕna. Efa tena tsy azo iainana mihitsy ny toerana maro ao Toliara an-tampon-tanŕna ao noho ny loto sy ny fofona, araka ny filazan’ny mponina any an-toerana.

Tsy misafidy toerana hanariana ny fako intsony mantsy ny olona fa dia ahitana izany avokoa ny arabe, ny sisin-dalana, ny elakelan-trano. Amin’ny maha tany mafana an’i Toliara moa dia vetivety dia miainga ireo fofona isan-karazany tsy azo iainana ary tena mandoto ny rivotra. Amin’ny antoandro no tena tsy tanty ny fofona araka ny filazan’ny mponina ihany, hany ka maro no lasa tsy mazoto homana amin’ny ora fisakafoanana. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra ambony ary ny ao Toliara ao, satria iaraha-mahalala fa tsy mahavita manangona ny fako sy manadio ny tanàna araka ny tokony ho izy ny eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Toliara, izay nitrangana savorovoro politika koa moa. Manahy ny mponina any an-toerana fa sao dia ity resaka ifandirana amin’ny fitantanana ny kaominina ity no hanadinoana ny fanadiovana ny tanàna. Ao koa ireo diso fanantenana satria nampanantena tamin’ny fandalovany tany an-toerana ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina fa hokarakaraina i Toliara ary tsy ho faralahy intsony eo amin’ireo faritra maro eto amin’ny Nosy. Raha izao no mitohy, hoy ireo mponin’i Toliara, atsy ho atsy, dia tsy ho farany tokoa izahay fa ho voalohany amin’ny fahalotoan’ny tanàna. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT