Actualités

Toliara Hitokona 48 ora ny mpampianatra


  • Alarobia 19 Mey 2010


Marisarisa ny tontolon’ny fampianarana ao Toliara ao. Nampirehitra ny afo ny disadisa nateraky ny fiadian-toerana ho Proviseur ao amin’ny Lycée Laurent Botokeky. Re indray izao fa dia hitokona mandritra ny 48 ora, anio alarobia sy rahampitso alakamisy ny mpampianatra ao Toliara. Mbola ny loharanom-baovao avy any an-toerana no mitatitra fa hanomboka eny amin’ny Lycée io ary mety hitatra amin’ny toeram-pianarana hafa. Ny mpiasam-panjakana aloha hatreto no fantatra fa hiroso amin’io fitokonana io. Tsy nambara mazava kosa ny endrika hisehoan’izany. Ny hany fantatra dia resaka fisondrotana karama 10% nampanantenaina, ny hasin’ny mpanabe sy ny mpampianatra amin’ny ankapobeny no fototr’ity grevy ity. Fitokonana fanairana ihany izy ity, raha ny loharanom-baovao ihany. Ny mpitondra ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, tamin’ny alalan’i Camille Vital, Praiminisitra, dia nampitandrina fa handray andraikitra raha misy manao fihetsiketsehana, koa dia ho hita eo ihany ny tohin’izany. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT