Izy mamo indray no miantso polisy. Io no azo amehezana ny hetraketrak’ity vazaha mampiasa malagasy ao amina toeram-pisakafoanana iray ao Tolagnaro. Dimy na enim-bolana teo no niasa tao amin’ity orinasa iray ity i J.L.
Tampoka teo, noroahiny izy. Tsy fantatra mazava ny antony. Amin'ny fananany zo feno hitaky ny zony, tonga tany amin'ilay tompon'ny orinasa ilay tovolahy. Hatairana no hita satria izy indray no nampirisika hoe mandehana any amin'ny inspecteur de travail. Tonga tany ilay tovolahy nitantara ny zava-misy. Resy lahatra ity tompon’andraikitra ara-panjakana ka nampiantso an'ilay teratany vahiny. Tsy tonga ary tsy nety nandray ilay taratasy fintsoana anefa izy. Voatery nanatitra ilay taratasy fiantsoana tany amin'ny vadiny tany an-trano i J.L. Nivadika zavatra hafa ny tranga satria nolazain'ity vazaha fa manao (violation de domicile). Nitory ary naka polisy ity farany hanafay an'ilay tovolahy. Ilay teratany vahiny manao azy ho ambonin'ny lalàna efa nifampiresaka mialoha tamin'ny mpitandro ny filaminana. Manaitra amin'ny fomban'ity teratany vahiny ity, ny tsy fanajany ny lalàna misy mahakasika ny mpiasa. Matetika fandroahana tsy aman'antony ary fanaovana tsinontsinona ny zon'ireo mpiasa no iainana ary voatery miala maina. Manoloana izany, manao antso avo amin'ny tompon’andraiki-panjakana mahefa amin'ny afitsok'ireo mpampiasa sasany hijery akaiky ny fitantanana. Tsy vitsy no mizaka ny tsy eran'ny ainy ireo tanora any Tolagnaro.
OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.