Actualités

Tolagnaro QMM : mihidy vonjimaika !


  • Alarobia 27 Oktobra 2010


Nanomboka omaly dia tsy afaka nihodina ny orinasa mpitrandraka fasimainty QMM. Izany dia vokatry ny hetsika filaharambe izay notontosain’ny hetsika Fagnomba nahavory olona an’arivony ka nitanjozotra nihazo an’Ilanirano. Tsy nahavita na inona na inona ny mpitandro ny filaminana izay nanao sakana roa karazana manoloana ireo vahoaka ireo, izay tanora ny ankamaroany. Ny tanjon’ireo dia ny hiresaka mivantana amin’ny tale jeneralin’ny QMM momba ny olana hatrizay izay tian’ireo olona hovakiana bantsilana. Fantatra ary, taorian’ny fandraisan’io tompon’andraikitra ny solontenam-pokonolona efatra fa hisy ny fihaonana an-databatra boribory mba hitadiavana vahaolana. Ao anatin’ny telo andro no napetrak’ireo vahoaka ny hanatontosana an’izay. Nangatahin’ireo olona ihany koa ny tsy hiasan’ny orinasa mandritr’izay fotoana izay. Omaly dia nisy fihaonana nataon’ny tompon’andraikitry ny orinasa tamin’ny mpanao gazety teto an-drenivohitra ka nampahalalan’io ofisialy fa voatery mihidy vonjimaika ny QMM manoloana ny zava-mitranga. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT