Actualités

Tolagnaro Nosomparan’ny Emmoreg Ravalo


  • Talata 23 Janoary 2018

Nogafiana tsotra izao ny fihaonana nataon'i Marc Ravalomanana tamin'ireo mpomba azy tany Tolaganro omaly. Vao niditra fotoana fohy tao amin'ny Resto la Vanille ny tenany, dia mpitandro filaminana mirongo fiadiana no tazana teo amin'ny vavahady.

Tapaka avy hatrany ny herin'aratra raha vao nanomboka kely ny lahateny. Potika ny fitaovam-panamafisam-peo, very ireo telefonina nakana sary, izay tefefaonin’olon-tsotra. Voatery niteny tsy nisy fanamafisa-peo. Tampoka teo nisy ny teny midina fa tsy azo atao ny mamory olona raha tsy nahazo alalana hoy ingahy Dgat nanome baiko; nolazaina koa fa hoe ho fiarovana ny ain’Atoa Ravalomanana no anton’ny fanapahan-kevitra, resaka izay tena nahagaga ny olona tany an-toerana satria tanàna milamina i Tolagnaro ary tsy mba nahitana resaka kidnapping izany na fisomparana mpanao politika, na iza io na iza, indrindra moa fa hoe filoham-pirenena teo aloha izany. Nanaja tena i Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy. Nivoaka ny toerana niaraka tamin'ny vahoaka ny filoha, nanaraka azy hatrany amin'ny toerana nivantanany ny rehetra. Vao mainka nihamaro ny vahoaka nanaraka azy sy ireo delegasiona niara-dia taminy.  

Hakanosana

Nandeha avy hatrany resaka tao an-toerana fa tena midika ho hakanosan'ny fitondrana izao fihetsika izao. Na izany aza, tafita ny hafatra tian'ny filoha Marc Ravalomanana nampitaina tamin'ny vahoakan'i Tolagnaro. Marihina fa amin'ny toerana rehetra izay nalehany nanatona sy nanotrona azy ireo vahoaka marobe ary niresaka mivantana aminy. Rehefa nanontanian'ny mpanao gazety ny Dgat mpisolotoerana vonjimaika, namadika ny resaka ka nilaza fa mba ho fiarovana an’i Marc Ravalomanana hono ny zavatra nataon’ny mpitandro filaminana. Nihazo ny faritra Androy ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, izay tombanana fa efa any an-toerana amin’izao fotoana izao. Tsy vaovao intsony ny figafiana an-dRavalomanana, ary nihamafy nanomboka tamin’ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko TIM saika hatao teny Mahamasina ny 8 jolay 2017, ny tany Toamasina, ny antsojay tamin’ny resaka hotely tany Antsiranana, ny fanagonana andian’olona tany Toliara,... Mihevitra ny HVM fa ny figafiana tahaka izao no paikady tena mety sy mahomby indrindra. Mbola tsy fifidianana akory, dia efa izao ny tahotra sy ny ady an-kanosana. Vao mainka mampihen-daja ny mpitondra ary mampiakatra ny fankafizan’ny vahoaka an’i Marc Ravalomanana ny zava-misy.


 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT