Actualités

Tolagnaro Nisy nanodinkodina ny valin’ny bacc ?


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2012

Mimenomenona ny ray aman-dreny sy ireo mpianatra niatrika ny fanadinana bakalôrea farany teo ao Tolagnaro ao.

 Raha ny vaovao azo avy any an-toerana dia misy mpianatra efa hita tao amin'ny tranonkalan'ny TELMA fa afa-panadinana saingy tsy misoratra any amin'ny lisitra navoakan'ny foibe ny anaran'izy ireo. Avy ao Tolagnaro ireo mpianatra ireo raha ny fanamarihana. Efa natonta tamin'ny taratasy ny valim-panadinana hita tao amin'ny tranonkala, hoy ny fanazavana saingy rehefa niverenana nohamarinina dia tsy hita tao indray fa efa nalàna.

Tsy azon'ireto mpianatra sy Ray aman-dreny ireto intsony izay tena marina mikasika ity valim-panadinana bakalorea ao Toliara ity satria toa mifamahofaho sy mifanipaka be ihany. Raha ny filazan'ireo nampita ny vaovao dia hanao fitarainana ireo mpianatra sy ray aman-dreny voakasik'ity tranga ity, saingy mialoha izany dia miantso sy manaitra ireo tompon'andraikitra mahefa any an-toerana izy ireo hanara-maso sy hijery mivantana ny zava-misy. Manahy mantsy ny maro amin'ity raharaha ity ndrao misy ambadika politika na koa zavatra hafa mihitsy. 

 

Nangonin’i Jean. D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT