Actualités

Tolagnaro Mandrahona hidina an-dalam-be ny vahoaka


  • Alarobia 19 Desambra 2012

Manoloana ny famindran-toerana tsy mazava ireo mponina ao an-drenivohitra Anôsy dia nanao valandresaka ho amin’ny mpanao gazety ireo fikambanana maro misy any an-toerana, ny tolakandron’ny talata teo.

 Nitarika izany ny filohan’ny AIFA, Abdallah Mouhaidine.  Nambaran’ireo nandray fitenenana fa misy mpiasam-panjakana afindra toerana tampoka tsy fantatr’antony mazava. Ny fitondrana anefa nilaza fa tsy mbola tokony hisy famindran-toerana mpiasam-panjakana amin’izao vanim-potoana mavaivay sy manakaiky fifidianana izao raha tsy hoe antony hafa. Izay antony hafa izay anefa no tsy mazava amin’ireto vondron’ny fikambanana ireto.

Manoloana izany dia manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa ao amin’ny fitondrana ireo mpikambana hanafoana izany fanapahan-kevitra famindran-toerana izay. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana AIFA fa manome 48 ora ny fitondrana izy ireo amin’izany. Mandrahona ny hidina an-dalambe izy ireo raha tsy misy ny vahaolana ary handresy lahatra ny vahokan’i Faradofay izy ireo hitaky ny mangarahara amin’ny fanampahan-kevitra tsy mazava toy izao.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT