Actualités

Tolagnaro Mahery vaika ny delestazy


  • Alarobia 16 Jona 2010


Mitaraina ny mpanjifan’ny Jirama ao Tolagnaro amin’ny fahatapatapahan-jiro. Mateti-piavy izy io tato ho ary niha nahery vaika tokoa satria dia maharitra ora maromaro vao miverina, nefa tsy misy fampandrenesana. Ny alin’ny alatsinainy 14 jona teo fotsiny, ohatra, dia nanomboka tamin’ny valo ora alina no tapaka ny jiro ary tsy niverina izany raha tsy nisasaka ny alina. Vokany, mitaintaina amin’ny tsy fandriampahalemana ny mponina, no tsy afaka manaraka an-tsakany sy an-davany ny lalao baolina kitra amin’ny Mondial 2010 atao atsy Afrika Atsimo ihany koa, ka anairan’izy ireo ny tompon’andraikitra. Tsy ny jiro ihany fa matetika ihany koa ny rano no tapaka. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT