Actualités

Tolagnaro Fehezin’ny Karana ny vidim-bary


  • Alakamisy 23 Septambra 2010


400Ar ny iray kapoaka ny alatsinainy, ny alakamisy dia efa niakatra 450 Ar. Tsy mivadika akory ny herinandro dia miakatra tampoka eo ny vidim-bary ao Tolagnaro. Ny herinandro lasa iny no nitrangan’izany. Tsy misy fanazavana mazava manodidina io fiakaram-bidy io. Ampihimamban’ny Karana rahateo moa ny famatsiana ireo zavatra ilain’ny mponina ka dia feheziny amin’izay mampetipety azy. Na izany aza dia velon-taraina ny mpanjifa. Ato anatin’ny fiomankomanana amin’ny fidiran’ny mpianatra indrindra mantsy no mitranga izany. Mitambesatra amin’ny isan-tokantrano ny fividianana kojakojam-pianaran’ny mpianatra sy ny saram-pianarana. Tsy mandefitra anefa ny sakafo, ny ankizy rahateo tsy mahalala tsy misy. Ny olana ihany koa dia nisy fihenana betsaka ny vokatra hafa toy ny mangahazo, ny katsaka ary ny vomananga, noho ny tsy fahampian’ny rotsak’orana, fa eo indrindra koa ny tsy fandriampahalemana izay mampiraviravy tanana ny tantsaha mampokatra.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT