Isam- pokontany dia ahitana fiangonana zandriny roa farafahakeliny. Ireo tanora sy ireo nidonam-pahoriana tamin’ny fiainana no hita fa mirona amin'izy ireny rah any ao Tolagnaro no resahana.
Mifaninana amin'ny fampiasana fanamafisam-peo, arahina hira mampitsinjaka fitombenana izy ireo. Manginy fotsiny ireo kiakiaka sy tabataba. Matetika tsy mijanona ny hira arahina orkestra sy fanamafisam-peo raha tsy any aminy 10 ora alina.Ny tontolo andro tsy tantaraina.... Tabataba lava miteraka fahasorenana ho an'ny mpiara-monina. Matetika saika fandreberebena amin'ny fampandoavana ny ampahafolon-karena ary ireo mitonona ho mpitarika na pasitera ao aminy no mahazo tombony. Zary fandreberebena sy fandraikarekana ho an'ny mpino. Amin'ireo sekta ireo dia misy ny mahavatra mitety tokonam-baravarana mizara boky sy manaratsy ny finoan'ny hafa. Misy ireo finoana hafa no efa manomboka tafintohina. Ny fomba toy izany atahorana hiteraka fifanolanana goavana eo amin'ny mpino raha tsy misy ny vahaolana. Tsy ny sekta gasy ihany no mameno tanàna fa eo dia eo ihany koa ireo fivavahana afrikana izay efa misandrahaka sy mahazo vahana any Taolagnaro.
Oth
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.