Actualités

Tolagnaro 50m manodidina ny “studio” ihany no mahita TVM


  • Zoma 04 Janoary 2013

Sady mahasosotra no mampihomehy ary mahasorena ny tranga misy ao amin’ny fahitalavi-panjakana na TVM any Tolagnaro.

Tao anatin’ny iray volana sy tapany izao dia tsy nahita izany TVM izany ny tao an-drenivohitra Anosy. Ireo manakaiky ny toeram-piasana, 50m miala ny“studio” no hany afaka mijery. Zava-misy tsy mampino. Efa im-polo kely no simba ny fitaovana. Voalazan’ny tomponandraikitra fa ny “émetteur”, izay  fitaovana manaparitaka ny feo sy ny sary any an-tokantrano no simba, noho ny fahanterany ary tsy manara-penitra intsony. Efa nalefa namboarina taty Antananarivo saingy mbola ny teo ihany no teo. Tamin’ny fandalovan’ny minisitry ny serasera, Rahajason Harry Laurent, tany Tolagnaro volana vitsy lasa izay no nilazany fa homena fitaovana manara-penitra avokoa ireo haino aman-jerim-panjakana manerana ny Nosy. Dia io iaraha-mahita io aloha ny an’i Tolagnaro. Ireo manan-katao manana ireny sahafabe ireny ihany no mba afaka mijery fahitalavitra. 

Nantiora OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT