Miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera ny sarin’i Djibril amin’izao fotoana. Voalaza ho namono nahafaty tanora lahy iray teny 67Ha noho ny fifamaliana izy io.
Notsindroniny tamin’ny tavoahangy vaky ny tendan’ilay tovolahy, raha ny fanazavana, ka nijininika ny ra, izay nitarika tamin’ny fahafatesany. Vao hitan’i Djibril fa voa mafy ilay tovolahy noratrainy dia nandositra izy, ary karohin’ny mpitandro ny filaminana ankehitriny. Raha ny vaovao mivoaka hatrany, tsy vao sambany namono olona ity lehilahy ity. Roa taona lasa izay dia efa namono olona tao Sambava izy, ary tokony higadra 12 taona an-tranomaizina any Ambatoratsy Antalaha, saingy ... Olona migadra ve dia mbola nahavita namono olona taty Antananarivo ? Mahagaga sy mahatalanjona ny zava-misy. Inoana fa mety hitondra fanazavana misimisy ny tompon’andraikitra voakasika.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.