Tsy manana fahafahana ny hitsabo tena intsony ny ankamaroan’ireo tokantrano malagasy amin’izao raha sanatria ka tojo aretina noho ny hasarotan’ny fiainana.
Ny vola hoentina any amin’ny dokotera mihitsy no tsy misy, raha araka ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray sendra anay. Tsy maintsy manana 20.000 Ar mantsy raha kely indrindra, hoy hatrany izy rehefa manatona dokotera tsy miankina iray nefa efa mahavita sakafo mandritra ny dimy andro izany rehefa hatambatra. Vokany, lasa manao dokotera tenany avokoa ny ankamaroan’ny olona ka mampiasa izay fanafody fantany fotsiny. Ohatra amin’izany ny tongolo alona siramamy rehefa voan’ny sery ny ankizy, ny betiravy sy ny siramamy rehefa mikohoka izy miampy ny tambavy kely isan-karazany. Ny lehibe moa dia ny mitandrina ihany no fanafody miampy ny otra kely sy ny paracetamol rehefa tena tsy tanty. Raha araka ny fanadihadiana nataonay tamina dokotera iray moa dia nihena be ireo olona marary tonga manatona azy ireny amin’izao raha oharina tamin’ny teo aloha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.