Actualités

TOKANTRANO MALAGASY Tsy afaka mitsabo tena intsony


  • Alakamisy 02 Aprily 2015

Tsy manana fahafahana ny hitsabo tena intsony ny ankamaroan’ireo tokantrano malagasy amin’izao raha sanatria ka tojo aretina noho ny hasarotan’ny fiainana.

 

Ny vola hoentina any amin’ny dokotera mihitsy no tsy misy, raha araka ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray sendra anay. Tsy maintsy manana 20.000 Ar mantsy raha kely indrindra, hoy hatrany izy rehefa manatona dokotera tsy miankina iray nefa efa mahavita sakafo mandritra ny dimy andro izany rehefa hatambatra. Vokany, lasa manao dokotera tenany avokoa ny ankamaroan’ny olona  ka mampiasa izay fanafody fantany fotsiny. Ohatra amin’izany ny tongolo alona siramamy rehefa voan’ny sery ny ankizy, ny betiravy sy ny siramamy rehefa mikohoka izy miampy ny tambavy kely isan-karazany. Ny lehibe moa dia ny mitandrina ihany no fanafody miampy ny otra kely sy ny paracetamol rehefa tena tsy tanty. Raha araka ny fanadihadiana nataonay tamina dokotera iray moa dia nihena be ireo olona marary tonga manatona azy ireny amin’izao raha oharina tamin’ny teo aloha.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT