Tsy vitan’ny mitombo andro aman’alina ny isan’ireo mahantra eto Madagasikara fa mihamahantra ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy raha oharina tamin’ny 1960, taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara.
Tsy misy akony amin’ny fampihenana ny fahantran’ny firenena Malagasy hatreto ny fitombon’ny hary ara-toekarena sokajiana ho ambany. Mihalalim-paka ny fahantrana an-tanàn-dehibe sy ny tontolo ambanivohitra tsy afa-mamokatra sy mahavelona noho ny kolontsaina fanakorontanana politika miverimberina. Efa tandra vadin-koditra eny anivon’ny fiainan’ireo tantsaha maro an’isa ny tsy fahampiana noho ny olana ara-pamokarana izay miankina betsaka amin’ny toetr’andro. Nanasaro-javatra ny fahatsapana hatramin’ny taona 2005 ny fifindra-monina mafonja ireo mponina ambanivohitra miakatra an-drenivohitra ka nampitombo isa ireo fadiranovana miaina an-tanàn-dehibe. Nahatratra avo efatra heny ny fitombon’ireo Malagasy mahantra tao anatin’ny 53 taona teo anelanelan’ny taona 1960 hatramin’ny 2013, araka ny tatitra fanadihadiana navoakan’ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny volana jona 2013.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.