Naneho ny heviny mikasika ireo ankizy malagasy marobe eto amintsika izay zary very zo ny fikambanana Hafari Malagasy,
indrindra fa ireo tsy manan-dray sy tsy manam-pamelona ankoatra ny reniny. Araka ny fanazavana azo omaly dia mitombo isa hatrany ireo tonga mitaraina sy manatona ity fikambanana iray ity, indrindra rehefa akaiky faran’ny volana. Raha miisa 103 ireo mpiasa sy mpianatra asa eo anivon’ny fikambanana Hafari dia mandray raharaha roa isan’andro raha kely ny iray amin’izy ireo ka resaka fitarainana noho ny olana ara-tokantrano avokoa ny ankamaroany. Voatery mandray an-tanana ny famahana ny olana ny Hafari noho izany saingy ny tena zava-dehibe, hoy ny filohany dia ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny tokantrano malagasy izay tena efa lany andro tanteraka. Ny tsy fanomezan’ny lehilahy vola kosa no tena olana iraisan’ny rehetra amin’ny ankapobeny ankoatra ny vono sy ny fampirafesana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.