Betsaka ny manontany rahefa mahita ny andro manjombona sy manorana hoe : misy rivodoza ve ?
“Aza manahy, tsy mbola misy izany akory”, hoy ny Météo Madagasikara. Amin'ny herinandro ambony kosa, eo anelanelan’ny 1 hatramin'ny 7 janoary 2018, no mety hisy fiforonana andro ratsy araka ny fanazavany hatrany. Any amin’ny 1500 km miala ny morontsirak’i Madagasikara any amin’ny ranomasimbe indiana any no misy io andro ratsy arahi-maso io amin’izao fotoana. Nambaran-dRatovoharisoa Lovandrainy teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampasampito fa tsy mbola misy fiantraikany amin’ny mety ho toetry andro eto amintsika io andro ratsy io aloha amin’ny izao fotoana. Ato anatin’ny telo andro dia mbola hitohy ny orambaratra saika manerana an’i Madagasikara akoatra ny faritra Atsimo Andrefana sy Anosy iny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.