Hifarana ny 30 aprily ho avy izao raha efa nanomboka ny fiandohan’ny volana novambra lasa teo ny vanim-potoanan’ny fahavaratra eto amintsika.
Mbola ahiana ny mety hisian’ny rivodoza miforona any amin’ny ranomasimbe Indianina mandrapahatongan’ny faran’ny volana raha araka ny fanadihadiana teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Na izany aza anefa dia efa manomboka mahare hatsiaka isika eto an-drenivohitra amin’izao. Nomarihin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro fa miditra anaty vanim-potoanan’ny manasara-taona isika na ilay antsoina hoe : fararano izay manelanelana ny fotoam-pahavaratra sy ny ririnina. Mety hisy orana kely mihitsy izany, hoy izy ireo raha arahina havandra kosa ho an’ny any amin’ny faritra. Amin’ity volana aprily ity, ohatra, dia nomarihin’izy ireo fa mety hisy herinandro tena hangatsiaka. Hifandimby tampoka amin’ny hafanana izany izay haharitra herinandro koa, raha arahina orana indray izany avy eo tranga izay hitovy amin’ny toetr’andro mandritra ny volana mey. Amin’ny volana jona ka hatramin’ny volana jolay ho avy izao kosa vao hanomboka ny vanim-potoanan’ny ririnina, hoy hatrany ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Na izany aza anefa dia fantatra fa hitovy tamin’ny ririnina tamin’ny taon-dasa ihany ny ririnina amin’ity taona ity. Amin’ny volana mey ho avy izao, ohatra, dia 18 sy 19 °C ny hafanana antonony eto afovoan-tany. Hidina 17°C ka hatramin’ny 16 °C izany ny volana jona raha hilatsaka hatrany amin’ny 15 °C amin’ny volana jolay. Mila miomana amin’ny fitafiana mifandraika amin’izany avokoa, araka izany, isika rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.