Any amin’ny 4.000 km miala ny morontsirak’i Madagasikara no nisy ny foiben’ilay rivo-doza Cebile omaly, raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro.
Mandeha mianatsimo miankandrefana hatrany ny fizotry diany saingy na izany aza tsy atahorana hahakasika antsika eto Madagasikara raha araka ny fanazavana azo hatrany.
KOPIA
Mbola betsaka amin’ireo olona ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano no tsy manana kopia mari-pahaterahana. Ankoatra ireo ankizy kamboty sy tsy manam-piahy dia voakasika ihany koa ny olon-dehibe, antony nanosika ny ONG Tsaramasoa hiara-hiasa amin’ireo kaominina maro eny an-toerana.
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona iray tao Mahajanga omaly. Fiara lehibe iray no nandona môtô avy any aoriana ka maty tsy tsa-drano ny mpamilin’ity farany. Ankoatra izay dia olona roa ihany koa no fantatra fa naratra mafy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.