Firenena faha-3 tandindomin-doza amin’ny fikorontanan’ny toetr’andro manerantany i Madagasikara. Efa manangasanga eto io fiovaovan’ny toetr’andro io.
Nihanafana teto amintsika hatramin’ny taona 1950 ka manodidina ny 2,06°C izany ankehitriny, araka ny vokatry ny fanadihadiana natao. Mbola hitohy hatrany ity fiakaran’ny hafanana ity miaraka amin’ny rivodoza matanjaka izay nitarika ny fisian’ny tondra-drano farany teo. Voalaza ihany koa fa ny 60%-n’ireo karazan-tsifaka miisa 57 no ho lany tamingana afaka 70 taona noho io toetr’andro miovaova io. Miara-miasa amin’ireo fiarahamonina mpiara-miombon’antoka amin’ireo paikady fiatrehana ny fikorontanan’ny toetr’andro moa ny WWF Madagascar. Anisan’izany ny hetsika fanentanana «Earth Hour 2015» niseho teto Antananarivo, Andapa ary Morondava ny sabotsy farany amin’ny volana martsa teo niarahana tamin’ireo firenena 162, tanàna 7.000 ary olom-pirenena maherin’ny 1 miliara manerantany. Najanona kosa ny famonoana jiro mandritra ny 60 minitra eto Madagasikara noho ny delestazy efa manahirana ny isan-tokantrano.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.