Tena nijojo ny orana teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina azy omaly ary maro ny faritra dibo-drano ;
nilaza ny avy ao amin’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro fa efa tena ao anaty fahavaratra tanteraka ny eto Madagasikara amin’izao fotoana ka noho izany dia hisy orana arahin-kotroka saika manerana ny nosy, ary ho maina kosa ny andro amin'ny morontsiraka atsinanana, izany hoe ny any Analanjirofo sy Atsinanana ary Vatovavy-Fitovinany. Ny tsioka avaratra andrefana na Talio no mandrafitra ny toetr’andro eto amintsika ary misy koa ny faritra andro ratsy ao amin'ny lakandranon'ny Mozambika.Tombanana mbola haharitra herinandro ny orana ho an’Antananarivo. Raha ny maripana indray tsy dia hahitàna fihetsehana firy fa ho tsapa hatrany ny hafanana.Fahendrena noho izany ny mitondra isan’andro akanjo aro orana sy elo, indrindra fa ho an’ireo mivoaka ny trano ny tolakandro sy ny hariva.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.