Actualités

Toetr’andro Hisy rivodoza roa handalo


  • Alarobia 09 Janoary 2013

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra isika ankehitriny. Na izany aza anefa mbola somary mamitaka kely ihany ny toetr’andro noho ny hafanana be loatra entiny, indrindra fa ny maraina.

 Tsy tokony hatoky be loatra izany anefa isika. Araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro na ny Météo eny Ampasampito dia hirotsaka tsy miato ny ranon’orana eto an-drenivohitra mandritra ny efatra andro izay efa nanomboka omaly talata. Isaky ny folakandro no hisian’io ranon’orana io vokatry ny fisiana andian-drahona mipetraka any amin’ny lakan-dranon’i Mozambika, mitatra aty Madagasikara ary mampidina ny “zone de convergence”. Mifanena vokatr’izany ny rivotra mafana sy mando avy any avaratra sy andrefana ary ny rivotra mangatsiaka sy maina any Atsimo Atsinanana. Tokony hivonona tsara amin’ny akanjo fitondra amin’ny ranon’orana rehetra noho izany, indrindra fa ny ankizy madinika. Efa miditra rahateo ny mpianatra. Mikasika ny rivodoza kosa indray dia tsy mbola misy atahorana aloha hatreto ny mety hisian’izany. Na izany aza anefa efa fantatra kosa fa rivodoza miisa roa no handalo eto amintsika, izany hoe nihena roa raha oharina tamin’ny taon-dasa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT