Actualités

Toetr’andro Hanomboka hisesy ny rotsak’orana


  • Alarobia 28 Desambra 2016

Hirotsaka ny orana mandritry ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao ho an’ny eto an-drenivohitra, raha ny tomban’ny Foibe mpamantatra ny toetr’andro.


Toerana vitsy eto Madagasikara ihany anefa no hisy rotsak’orana. Orana tandrifin-drahona ny any Melaky, Menabe ary ny tapany atsimo andrefan’ny Nosy. Orana manify ny any Analanjirofo sy Antalaha ao anatin’ny efatra andro manaraka. Hisy ny oram-baratra eto Antananarivo sy amin’ny toerana maro eto Madagasikara, raha ny nohamafisin’ny foibe famantarana ny toetr’andro mandritra ireo fety ireo. Na izany aza, hidina ny maripana ary mety hilatsaka hatrany amin’ny 26 degre hatramin’ny rahampitso, hoy ny tompon’andraikitra, noho ny fahazoan’ny Alizay toerana kely indray. Ho maina tanteraka anefa ny tapany atsimo. Misy ihany koa amin’izao fotoana izao ny andro ratsy ao amin’ny fari-dranomasina avaratra atsinanan’i Madagasikara saingy tsy ahiana hatreto ny hivadihany ho rivodoza. Hitondra tafio-drivotra mafy hatrany amin’ny 60 km/ora io andro ratsy io. Hifanesy ny rotsak’orana amin’io volana janoary raha ny tombana.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT