Actualités

Toerana fiandrasana taksibe Lasa fialokalofan’ny tsy manan-kialofana sy ny adala


  • Talata 10 Aprily 2018

Zary lasa fandrianan’ireo tsy manan-kialofana eto an-drenivohitra sy fipetrapetrahan’ny adala avokoa ny ankamaroan’ireo toerana fiandrasana taksibe eto an-drenivohitra tato ho ato na ny “abribus”.

 
Anisan’ny ahitana taratra izany ny etsy Anosy manoloana ny radio nasionaly Malagasy … Kivy vokatr’izany ireo mpiandry taksibe rehetra ka tsy vitsy ireo mihafy ny mijoro hatrany  na dia efa reraka mafy sy lanin’ny masoandro aza raha misy koa ireo minia tsy mampiasa ireny fotodrafitrasa ireny mihitsy.  Ankoatra izay dia  maloto mila tsy ho azo diavin-tongotra ihany koa ny toerana misy ireny fiandrasana taksibe ireny. Eo ihany mantsy no manao maloto ny zanak’ireo tsy manan-kialofana raha eo ihany koa izy ireo no misakafo amin’ny hariva. Rehefa nanontaniana ny mikasika izany ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia nambarany fa efa misy sampandraharaha misahana manala  ireny mpatory an-dalana ireny eo anivon’ny kaominina ary efa tsy mitsahatra ny manao izany asa izany io sampandraharaha iray io. Mikasika ireo adala indray dia nomarihin’ny tompon’andraikitra misahana izany ihany koa fa ny fanjakana no tena tompon’andraikitra amin’izy ireny satria tsy afaka  mandray an-tanana ireo adala tsy misy mpanome sakafo ny eny Anjanamasina.

 

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT