Mahazo vahana tanteraka ny fisotroan-toaka sy ny fidorahana zava-mahadomelina eny anivon’ny fiaraha-monina amin’izao. 11 taona no zandriny indrindra amin’izy ireny izay marihina fa mbola mpianatra.
Raha araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ireo toeram-pivarotan-toaka sasany eto an-drenivohitra dia mahatratra hatrany amin’ny 40 isan-kariva ny mpanjifan’ny iray amin’izy ireny isan’andro raha kely indrindra ka ny olona iray amin’ireo mety mahalany hatrany amin’ny 5.000 Ar raha kely koa. Betsaka anefa ny voka-dratsy ateraky ny fisotroan-toaka sy ny fidorohana zava-mahadomelina. Ho an’ny eny anivon’ny fiaraha-monina dia miteraka fikorontanana izany toy ny ady, ny fifamaliana, ny fifamonoana ankoatra ny fahantrana ara-panahy sy ara-tsaina. Eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana indray dia miteraka fahatapahan’ny lalan-drà tampoka na AVC ny fisotroan-toaka na dia ho an’ireo mbola tanora vao herotrerony aza raha araka ny fanazavan-dRamamonjisoa Haja, tompon’andraikitra eo anivon’ny ONG Ny Sahy. Ny fiforonan’ilay maha-olona ny olona iray mihitsy no potehin’io toaka io. Ny homamiadana kosa no aretina aterak’izany ho an’ireo mifoka sigara raha miteraka fikoronan-tsaina mihitsy ny fifohana rongony izay mety hahalasa adala, raha tsy voatsabo dieny mialoha hoy hatrany ny fanazavana. Ny ao an-tokantrano ihany anefa no tompon’andraikitra voalohany hahafahna miady amin’ny zava-mahadomelina hoy hatrany Ramamonjisoa Haja raha tiana ny handresy izany. Ho an’ny Ray aman-dReny ohatra dia tsy tokony hataon’izy ireny fanao ny maniraka ankizy mba hividy na handrehitra sigara, antony iray heverin’ny ankizy fa fihetsika tsara ka hianarany ihany koa. Mikasika ny sigara manokana moa dia nomarihiny fa ny 19,83 %-n’ny mpianatra no efa mifoka izany manerana ny Nosy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.