Actualités

Toe-draharaha sosialy “Mbola mety amintsika ve ?”, hoy ny talen’ny ISPPS


  • Sabotsy 11 Febroary 2017

Nanatontosa fotoam-pivavahana ho fitrotroana am-bavaka ny sosialim-pirenena 2017 tetsy amin’ny Cemes Antanimora

 omaly ry zareo eo anivon’ny ISPPS na ilay ivon-toeram-pianarana ambony tsy miankina momba ny tontolon’ny fahasalamana, izay manana ny foibe sosialiny etsy Fort Duchesne, ao anatin’ny boriborintany fahadimy. Io ihany koa no fotoana nanararaotan’ny tale mpanorina ity ivo ity, Ramanahirana Gerard, nanazavana tamin’ny mpanao gazety fa resaka fitiavan-tena sy tsy fanajana ny lamina voajanahary no antony mahatonga ny fiarahamonintsika ho mitsingalambongidina tahaka izao. Rehefa nanao fikarohana ireo mpianatray dia nahita fa maro ireo faritra marefo noho ny tsy fahalavorariana ara-tsosialy ka mahatonga ny tsy fahalavorariana ara-pahasalamana ihany koa, hoy izy. Mbola mety amintsika ve, hoy izy, izao toe-draharaha sosialy izao? Tsotra hoy izy no vahaolana dia ny miala amin’ny fifanaovan-dratsy, toy ny mifampidaroka amin’ny bois rond na manao kolikoly, sy ny fitodihana amin’Andriamanitra.

Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT