Hentitra ny tenin’ny CST Mamitiana Fabergé mikasika ny raharaha dahalo any Atsimo fa ho azy avy amin’iny Faritra iny dia toa mitavozavoza ny fanjakana amin’ny ady atao amin’ny malaso io.
Manentana ny tompon’andraikitry ny filaminana izahay handray fepetra hentitra, fa ny hitanay dia atao mitavozavoza sy atao ambanin-javatra ity zava-misy ity nefa maro ny aina afoy any an-toerana, hoy izy.
Ny hevitray GMMR misy ahy mikasika ny fodian-dRavalomanana Marc an-tanindrazana kosa indray, hoy ny CST Mamitiana Fabergé, dia tsy misakana rehefa misy fifanarahana hoe mody izy. Fa ny zavatra angatahana dia mba samy hitazona ny teny nifanarahany izy mirahalahy fototry ny krizy ary hanambara ny zavatra tapaka marina tamin’ny fihaonan’izy ireo. Ho anay GMMR koa, hoy ihany ny CST Fabergé, dia tsy tokony hosakanana amin’ny filatsahan-kofidiana fa n’iza n’iza dia manana zo amin’izany. Fa ny fisian’ny fitsarana nandalo kosa dia raharahan’ny fitsarana iny, mahasakana ny sasany tsy hirotsaka ve sa ahoana ? Fa ny vahaolana amin’ity krizy ity dia fifidianana koa manainga ny antoko politika rehetra izahay hiomana fa tsy tokony hihemotra intsony io volana mey 2013 io hahitana ny fifanoheran-kery, hoy ny CST Mamitiana Fabergé fa “izahay GMMR dia efa vonona hiatrika ny fifidianana rehetra hiseho eo”.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.