Notokanan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fomba ofisialy omaly 17 novambra ny fotodrafitrasa famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny riandrano tany Amboasary Avaratra, distrikan’Anjozorobe.
Mamokatra angovo 60Kw izy io, ary afaka ny hisitraka izany ny mponina 14 725 any Amboasary Avaratra sy Amparatanjona 5. Tamin’ny alalan’ny tetikasa momba ny famatsiana herinaratra eny ambanivohitra na ny PHEDER no nahatontosana ny asa, izay mitentina 1,6 miliara. Ny vondrona Eoropanina no mamatsy ara-bola ny tetikasa PHEDER, ka 3,5 miliara ariary no haompana amin’izany. Ny Fondation Tanimeva kosa no manatanteraka ny asa, ka ivontoeram-pamokarana herinaratra amin’ny alalan’ny toho-drano miisa 4 no hapetraka eto Analamanga sy Amoron’i Mania. Ankoatra ny filoha, dia niatrika ny lanonana tany an-toerana ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina Antonio Benedito Sanchez sy ny minisitry ny rano sy ny angovo ary ny akoran’afo Lantoniaina Rasoloelison. Marihina kosa fa nahatratra 40% ny fandraisan’anjaran’ny mponina tamin’ny alalan’ny asa tanamaro (HIMO), ny fanamboarana ny lalana mihazo ny toerana misy ny toby ao Ambatokelivava, ny famatsiana ara-pitaovana toy ny fasika, ny fambolena hazo 50ha manodidina ny reniranon’i Lankazana mba tsy haharitra ny rano. Nanampy betsaka ny mponina ny mpiara-miombon’antoka isan-karazany, toy ny Global Environnement Facility Small Grants eo anivon’ny PNUD, ny fikambanana Tafo Mihaavo sy AIDER. Tombony lehibe ho an’ny any an-toerana ity fotodrafitrasa ity, fihodinan’ny CSB II kokoa, fihenan’ny asan-dahalo,… Mitohy ny tetikasa PHEDER vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola, ka tokantrano 1580, izay misy olona 77 000 eo ho eo no hahazo tombotsoa. Mba hampihena ny vidin-jiro mampikaikaika ny vahoaka ve ny tahaka izao sa ny omaly tsy miova ihany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.