Actualités

Tobim-piantsonana vaovao Mitombo ny vola mivoaka any amin’ireo mpandeha


  • Talata 27 Martsa 2018

Manomboka gaboraraka sahady ny fitantanana ny tobim-piantsonana vaovao etsy Andohatapenaka.

Ankoatra ny fisiana mpivarotra mandehandeha izay efa mivelona eny an-toerana isan’andro mantsy dia fantatra ihany koa fa efa misy mpanera tafiditra ao amin’ity tobim-piantsonana iray ity.  Raha ny tanjona napetraky ny filohan’ny KMSF, Rakotondrafara Fredinard anefa dia mba ho tobim-piantsonana modely, manara-penitra lavitry ny gaboraraka toy ny nitranga teny amin’ny Fasan’ny Karana sy Ambodivona ity tobim-piantsonana iray vaovao ity. Eo an-danin’izay dia tsy misy hatreto ny fandraisana an-tanana ireo mpandeha mpaka entana eto an-drenivohitra mivoaka any amin’ny Faritra. Tafakatra 20.000 Ar mantsy ny saran-dalan’ny fiarakaretsaka mitondra azy ireo miainga eny Andravoahangy na Analakely mivoaka eny Andohatapenaka,  raha mbola olana ihany koa ny tsy fandriampahalemana, indrindra fa amin’ny alina. Betsaka noho ny saran-dalan’ny taksibrosy mitondra azy ireo mihazo an’Antsirabe na Arivonimamo ny saran-dalan’ny fiarakaretsaka tokony hanaovan’ny fitondram-panjakana karazana navety kely amin’ny sarany mirary. Araka ny loharanom-baovao azo moa dia omaly hariva ireo tompon’andraikitra vao nivory nandinika ny mahakasika izany koa andrasana izay mety ho fanapahan-kevitry ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, mpitantana ity tobim-piantsonana vaovao eny Andohatapenaka ity.

Patty

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT