Actualités

Tobim-piantsonana Andohatapenaka Manomboka maloto sy gaboraraka


  • Talata 03 Aprily 2018

Tsy araka ny nanampoizana azy ny zava-mitranga eny amin’ny tobim-piantsonana vaovao Andohatapenaka ankehitriny. Ankoatra ny fidiran’ny mpanera sy ny fisian’ireo mpivarotra mandehandeha araka ny efa nitaterana azy teto amin’ny gazety Tia Tanindrazana dia efa manomboka maloto sy gaborakaka tanteraka ihany koa ny eny an-toerana amin’izao.

 

 Lasa  ataon’ireo mpivarotra hani-masaka toerana  fahandroan-kanina miaraka amin’ny kitay sy ny vilanibe ao ambadik’ireo tamboho kely karazana fefy mampiasaraka ity tobim-piantsonana ity amin’ny arabe. Eo ireo mpivarotra no mahandro ny hanina haroso ho an’ireo mpandeha  mandalo eny an-toerana izay marihina fa sady feno fotaka maloto no tsy misy fiarovana ihany koa.  Raha araka ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpivarotra eny an-toerana dia  teo aloha ihany no somary masiaka ny tompon’andraikitra fa ankehitriny izy ireo tsy dia mivaky loha intsony. Tafiditra ao anatin’izany ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety izay nametrahana fitokisana manokana ny amin’ny fitantanana ity ivontoerana ity. Voafaoka ao koa ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka izay tokony hanara-maso akaiky ny fivarotana hani-masaka amoron-dalana tahaka ireny ho fiarovana ny fahasalaman’ny mpanjifa. Ho an’ity farany manokana moa dia efa natombony tao amin’ny Boriborintany I ny fanofanana mpivarotra hani-masaka amoron-dalana   koa irariana  ny hahatongavany eny amin’ny tobim-piantsonana Andohatapenaka.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT