Saron’ny zandary ny talata 27 aprily antoandro ireo miaramila roa lahy nahavanona ny halatra fitaovam-piadiana tao amin’ny Toby miaramila 1/RM3 Toamasina. Tao amin’ny fokontany Analakininina Hopitaly be no nahatrarana azy ireo.
Niara-nisalahy tamin’ny fisamborana azy roalahy ireto ny zandary manao ny fanadihadiana sy ny miaramila. Nandritra ny fisamborana no nahitana tao an-tranon’izy ireo, raha nosavaina, fitaovam-piadiana avo lenta sy mahery vaika, izay tsy fampiasa raha tsy eo anivon’ny tafika ihany. Teo ny bala fampiasa amin’ny fitifirana fiaramanidina sy fiara mifono vy miaraka amin’ny boaty roa feno bala tsy mbola nisokatra. Nisy koa ny “obus” fametraka amin’ny “lance rocket” miisa efatra hita tao anaty boaty tsy mbola nisokatra. Ity fitaovam-piadina ity kosa dia mahagorobaka rindrina ary ny iray aminy fotsiny dia manapotika zavatra goavana. Teo koa ny fanamiana miaramila maromaro amin’ny maha zazavao vao nivoaka azy ireo farany teo. Ankoatra ireo ny basy Kalachnikov iray lasan’izy ireo nandritra ny fidarohana nataon’izy roalahy miaramila ireto ny mpiambina, izay mbola niaraka tamin’ny “chargeurs” sy ny bala dimy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.