Samy taitra ny olona nahita ny filarahana tamin’ireo toby mpaninjara solika tao Toamasina ny alatsinainy 24 desambra teo.
Tsy nisy tsy nahitana filaharana ireo toby nisy nandritra ny tontolo andro, ny sasany aza nitrangana sakoroka mihitsy ka voatery niditra an-tsehatra ny Emmo-Reg nandamina sy nanaparitaka ny olona, tahaka ny nitranga tao Bazary Be izay efa tonga hatramin’ny fikasana handoro ilay toby mpaninjara solika mihitsy, araka ny feo nalefan’ireo tsy faly nilahatra.
Araka ny fanazavana azo tamin’ny Tale jeneralin’ny Galana Manangareza, Atoa Boarilaza Mamy, dia tsy avy amin’izy ireo ny olana fa avy amin’ny komandy nataon’ny tobin-tsolika isanisany, satria tsy manao trosa intsony ny Galana ho an’ireo toby maka solika ao aminy. Araka ny fanazavana ihany dia ampy ny fanjifana Malagasy ao anatin’ny 45 andro ny solika vao tonga, nefa ny volana janoary 2013 dia mbola hisy ny sambo ho tonga. Ny zavatra hita ny alatsinainy io dia nahazo vahana ny risoriso izay tsy niala 10m ny tobin-tsolika akory ary sahy nivarotra ny iray litatra amin’ny lasantsy ho 4.000 Ariary ary ny gazola ho 3.600 Ariary. Omaly alahady aza dia tafakatra 5000 Ariary ny litatry ny lasantsy. Eto Antananarivo na eo aza ny ahiahin’ny mpanjifa sao tsy haharaka ny famatsiana solika, dia nanome toky ny filohan’ny fikambanan’ireo mpaninjara matihanina (GPLSS), Rakotozafy Martin fa misy ary maharaka ny tinady ny tolotra amin’ny famatsiana solika, ka tsy misy tokony hampanahy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.