Actualités

Toamasina Nifanao fangalam-piery ny Emmo-Reg sy ny mpandroba


  • Zoma 15 Oktobra 2010

Tsy naharaka ny zava-nisy tao Toamasina tampon-tanàna ny Emmo-Reg omaly. Nisavorovoro ny tanàna tamin’ny fitokonan’ny mpitarika posy.

Tsy fantatra intsony anefa na ireo mpitokona no tsara fiomanana ka afaka nizara maromaro, ka nameno ireo tsena goavana sy nanakaiky ireo tranombarotra horobaina, fa isaky ny mahavita «mission» hatrany ny mpandroba vao tonga ny Emmo-Reg. Na izany aza dia niezaka nifehy ny tao Ambolomadinika sy Valpinson ny FIP. Ny hany nataon’izy ireo dia ny nanadihady ireo mpivarotra sy tranombarotra voaroba ary nanenjika ireo andiana mpandroba teny an-dalana mirongo ireo entana avy norobainy, izay ny fitaovana ilaina amin’ny fiainana andavanandro sy ireo fitaovana «éléctronique» ny ankamaroany. Araka ny fanazavan’ireo niharan’ny fandrobana rehetra dia tonga miaraka amin’ny zava-maranitra sy hazo be ary vato sy fasika ireo mpandroba. Tsy misy alaharo fa avy hatrany dia raikitra ny sakoroka ary miha-maro ireo mpandroba mandra-pahatapitry ny entana rehetra tiany halaina. Potehin’izy ireo eo amin’ny arabe sy eran’ny trano izay tsy zakany. Tsy fantatra intsony na mpitari-posy ihany na andian’olona hafa nanararaotra ny fitokonan’iretsy voalohany ireto nandroba ireto. Nangina ny tsena goavana tao Toamasina omaly tontolo andro. Manisa sy manao tombana ny fananany very sy rava ary simba kosa ireo tompony. 

Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT