Tranga hafa tsy mbola nisy tao Toamasina no nitranga ny alahady tolakandro teo tao Tanamakoa. Tokony ho tamin’ny efatra dia nisy niditra tao an-tranon-dRabe Arsène, mpitsara eo anivon’ny Fitsarana ambony ao Toamasina.
Nodarohan’ireo olon-dratsy tsy nananan’izy ireo antra ity mpitsara ity ka naratra mafy ary vaky loha. Nivoaka nitsangantsangana ny vady aman-janany noho ny maha alahady ny andro ka izy irery no tao an-trano.
Tsy fantatra mazava aloha ny tena antony, na vokatry ny raharaham-pitsarana tsy nahafaly ny mpiady, na vokatry ny asan-jiolahy fotsiny. Ny hany fantatra dia nitondra fitaovana nentin’izy ireo nidaroka ireto an-dian’olona ireto. Tsy hay koa na nisy fitaovam-piadiana satria ny hamono ity mpitsara ity no tanjona raha ny zava-nisy tamin’ny faharatrana no jerena. Ireo entana tao an-trano koa raha ny vaovao farany dia tsy dia nahitana fahaverezana loatra, na hitan’ny vady aman-janany ihany ny fiovan-toeran’ny entana sasany izay heverina fa mody natao mba hilazana fa halatra no nataon’ireto andian’olona maromaro ireto. Raha ny fitantaran’ny manodidina ihany koa, dia ilay mpitsara efa nitaraina sy nitrena mafy noho ny fahavoazany, no ren’ireo mpandalo ka nahatonga azy ireo niantso ny filoham-pokontany sy mpitandro ny filaminana izay nandray andraikitra nitondra azy teny amin’ny hopitalibe Toamasina. Tsy nisy nahatazana kosa araka ny filazan’ireo manodidina ihany, izay olona niditra sy nivoaka tao na mety ho nampiahiahy, raha nanao fanadihadiana azy ireo ny mpitandro ny filaminanana.
Mikatona
Vokatr’izao fahavoazana mihatra amin’ny mpitsara naman’izy ireo izao, dia nanapa-kevitra ny mpiasan’ny fitsarana rehetra, manomboka amin’ny mpitsara rehetra, mandalo ny mpiraki-draharaha ary tonga amin’ireo filankevitra samihafa, fa tsy miasa izy ireo anio Talata ho fanehoana alahelo ary ho firaisankinan’ny tontolon’ny fitsarana ao Toamasina, izay ahitana fitsarana ambony sy ambaratonga voalohany ary ady amin’ny fanjakana sy ara-bola. Mikatona tanteraka izany ny tontolom-pitsarana ao Toamasina tampon-tanàna mandritra io 24 ora io, izay tsy mbola fantatra na hitohy, satria mitatao ny loza ho azy ireo amin’izao tsy fahadriampahalemana mitranga sy mahazo laka ao Toamasina izao.
Hatramin’ny nanoratana ny vaovao, dia tsy mbola mahatsiaro tena ao amin’ny hopitalibe ity mpitsara nisy nidaroka tao Tanamakoa ity. Nilaza anefa ny mpitsabo fa miha tsara ny fahasalamany, fa ny ratra sy ny daroka mafy nahazo ny lohany sy ny vatany no mahatonga izao tsy fahatsiarovan-tena izao. Hatramin’ny omaly koa dia tsy mbola naharay fitarainana mikasika ny fahaverezan-javatra tao an-tranony ny zandary izay manao ny famotorana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.